Izaho ve?
Malagasy (toa anao?) terak'i Madagasikara. Injeniora andiany faharoa (1989) nivoaka avy tao amin'ny Sekolim-Pirenena momba ny Informatika (ENI), ao amin'ny oniversiten'i Fianarantsoa (UF). An'isan'ny mpampianatra tao amin'io sekoly nanomboka ny volana janoary 1990.
Nanao fiofanana (stage) tao amin'ny "Laboratoire de Génie Logiciel", ao amin'ny EPFL, Lausanne, nanomboka ny volana oktobra 1993 ka hatramin'ny volana desambra 1995. Nanaraka ny fiofanana "Génie Logiciel: principes, méthodes et outils" tamin'ny 1995.
Nahazo ny diplaoma "D.E.A en Système d'Information" avy amin'ny oniversite Joseph Fourier (miaraka amin'ny fandaharana iraisam-pirenena MATIS) tamin'ny 1997. Tao amin'ny ekipa Meninge ao amin'ny LSR, IMAG no natao ny fiofanana momba io diplaoma io.
Hatramin'ny volana novambra 1997 dia hanomana ny diplaoma "doctorat" ao amin'ny "Centre Universitaire d'Informatique" (CUI), oniversite-n'i Genève ary ao anatin'ny tarika Programmation Visuelle et Génie Logicielle. Nanomboka ny volana Novambra 1997 ka hatramin'ny volana jona 2000 dia nanampy tamin'ny fampianarana "Introduction à l'Informatique" ho an'ny mpianatra taona voalohany, sampana "physique". Nanomboka ny volana Oktobra 2000 dia manampy kosa indray amin'ny fampianarana "Génie Logiciel" ho an'ny mpianatra taona fahatelo, sampana "informatique".
Raha ny resaka fikarohana mahaliana ahy amin'ny ankapobeny no ambara dia
amin'ireto sehatra
ireto (ialan-tsiny fa amin'ny teny frantsay): "modèles de processus de
logiciel", "technologies
orientées objet", "patrons de conception",
"programmation
visuelle", ary "programm
ation parallèle".
 
Ho hitanao ato ireo asa-soratro vitsivitsy (amin'ny teny
frantsay na anglisy).
 
Ireo sary voaangoko.
Ny tondro-pejiko
ahitanao ireo rohy miampita any amin'ny pejy maro samihafa (amin'ny teny
malagasy na anglisy na frantsay, araky izay nanoratan'ny tompony azy).
 
Azonao vakina amin'ny teny Anglisy na amin'ny teny Frantsay ity pejy ity | Fanovana farany: 19 Oktobra 2000 |
Soso-kevitra avy aminao. |
Site Hosting: Bronco